Masoivoho japoney: nanolotra fitaovana ho an’ny Polyclinique

Notanterahina,  omaly maraina, ny fanaovan-tsonia ny tetikasa fanomezana  fiara mpamonjy voina sy milina mpamokatra herinaratra ho an’ny hopitaly Polyclinique Ankadifotsy.  Ny masoivohon’i Japana, i Abe Koji sy ny Masera Rahantasoanjanahary Marie Euphémie,  talen’ny Polyclinique no nanao izany. Mitentina 72 euros na 281 tapitrisa ariary ireo fitaovana ireo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Japoney mitondra ny lohahevitra hoe: “Fanomezana mitondra  anjara biriky  amin’ny fiarovana ny maha olona” izy ity. Ny tanjona, mba hahafahana manampy ireo marary, miainga any amin’ny toerana nakana azy  mandra-pahatongany any amin’ny hopitaly.

“Toe-javatra mety hampidi-doza  ho an’ny marary ny fahatapahan’ny jiro matetika sy ny tsy fahampian’ny fiara mpitatitra marary”, hoy ny fanazavan’ny masera tomponandraikitra.  Araka izany, hanampy tanteraka ny fitsaboana eny  an-toerana ny tetikasa.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fifandraisana i  Japana sy i Madagasikara, ka  namela fahatsiarovana tsara eo amin’ny firenena roa tonta ny hetsika omaly.  Anisan’ny laharam-pahamehana anio ny fahasalamana, ka nahatonga ny masoivohon’i Japana  nanao izao tetikasa famatsiana izao.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: