Anisan’ny volavolan-dalàna hoentina hodinihin’ny solombavambahoaka amin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity ny momba ny rafi-pampianarana eto Madagasikara hampidirana anatin’ny fanabezana manara-drafitra ny akany fibeazana.
Dingana tsy maintsy lalovana ny akany fibeazana ary hitohy 10 taona ny fanabeazana maimaim-poana ho an’ny zaza malagasy rehetra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle, nandritra ny fandraisam-pitenenany ao anatin’ny fivoriana maneran-tany ho an’ny fanabeazana sy ny fiarovana ny zaza madinika tany Ouzbékistan tamin’ity herinandro ity. Niainga avy amin’ny herimpon’ny fokonolona ny fametrahana ny akany fibeazana, izay tafiditra ao anatin’ny fanabeazana tsy manara-drafitra tany am-piandohana. Ankehitriny, tantanin’ny fanjakana ny ankamaroan’ny akany fibeazana mihodina ary nampidirina ho dingana tsy maintsy lalovan’ny kilonga madinika izany mialoha ny hidirana amin’ny ambaratonga fototra. Mahatratra 42,49% ny tahan’ny fampidirana ny zaza eny amin’ny akany fibeazana ka eny anivon’ny sekoly tantanin’ny fanjakana ny 65%. Manana akany fibeazana avokoa ny EPP 16 232 ary any ambanivohitra ny 72% amin’ireo. Misitraka fitaovana manokana fampitana fahalalana ny 45% amin’ny akany fibeazana ary misahana kilonga madinika 25 ny mpanabe iray ho an’ny akany miankina amin’ny fanjakana, araka ny voalazany ihany. 33 348 ny mpanabe eny amin’ny akany fibeazana raha 90 000 ho an’ny ambaratonga voalohany ary manana ny mari-pahaizana takiana amin’izany ny maro an’isa. Mbola karamain’ny ray aman-dreny ny mpampianatra eny amin’ny akany fibeazana satria tsy tafiditra ho mpiasam-panjakana ary tsy misitraka karama rehefa tonga ny fotoam-pialan-tsasatra. Hofanin’ny mpampiofana manokana mialoha izy ireo vao miroso amin’ny fandraisana kilasy iray.
Homena karama isaky ny roa volana
Ao anatin’ny telo taona, manana vina handray mpanabe 31 500 ho mpiasam-panjakana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka ho an’ny akany fibeazana eny amin’ny sekolim-panjakana ny 3950. Hizarana fanampin-karama 51,33 dolara isaky ny roa volana ny mpanabe 2 714.
Vonjy A.