“Avy amin’ny tsy fananana politika fitandroana filaminana matotra ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny tsy fandraisana andraikitry ny tomponandraikitra mifanandrify amin’izany”, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo.
Ny fitondram-panjakana no tompon’ny fitandroana filaminana: ny prefet sy ny lehiben’ny distrika raha any amin’ny lafintany, ary ny Praiminisitra raha amin’ny ankapobeny manerana an’i Madagasikara. Mandray andraikitra ve ireo olona ireo ary misy ny fitaovana omena an’ireo solontenam-panjakana ireo? Satria misy distrika, na fiara aza tsy ananany.
Manatanteraka paikady ny mpitandro filaminana.
“Hadisoana ny mametraka fotsiny ny mpitandro filaminana no tomponandraikitra voalohany amin’ny fandriampahalemana. Diso izany”, hoy izy. Manatanteraka ny paikady hampanjakana ny fandriampahalemana ny mpitandro filaminana. Na izany aza, misy avy amin’ny mpitandro filaminana sasantsasany koa ny tsy fandriampahalemana. Tsy manao ny asany izy ireo, manao kolikoly… Eo koa ny avy amin’ny fitsarana noho tsy fahatokisan’ny vahoaka azy ka mahatonga tsy fandriampahalemana. Misy olona avy mangalatra na mamono olona, ohatra, nefa tsy migadra izay akarina fitsarana. Lasa manao koa ny sasany. Mila jerena izay.
“Tsy menatra ve isika solontenam-panjakana sy mpitandro filaminana fa misy olona tapa-doha, miala maso… Hiandry ny eveka sy ny pasitera ary ny mpaminany hiteny vao handray andraikitra?” hoy ihany izy.
Ilaina ny dina
Indraindray, misy mpitsara sasany tsy manome fahazoan-dalana ny fanaovana dina fa tsy misy hihinanana. Rehefa matanjaka ny dina, tsy misy sahy mangalatra na mamono olona ary tsy maintsy tratra izay manao izany. Olona arivo no mitsara olona iray amin’ny dina. Tsy vita ny hanao kolikoly amin’izany. Tokony ho dina no atao mialoha ny fitsarana. Aleon’ny mpangalatra sy mpamono olona tratra miakatra fitsarana, fa tsy te hanome omby izy. Any amin’ny fitsarana, olona iray na roa anaovana kolikoly.
R.Nd.