Tahaka ny firenena rehetra, manana izay heveriny fa hampirindra ny fiarahamonina misy azy ny Malagasy. Iray amin’ireny ny « marimaritra iraisana ». Saika nahitana azy io ny ankamaroan’ny sehatra niainany. Noraisina ho fomba mihitsy aza izy io taty aoriana, hany ka sarotsarotra ny niala na ny nanala azy amina tranga tsy maintsy hanaovana izany. Inona ny vokatr’izay ?
Latsaka eo anelanelany. Sady tsy mafana no tsy mangatsiaka. Izay ilay marimaritra iraisana. Raha misy safidy roa na maromaro, samy tsy misy arahina iray manontolo fa na hakana ampahany tsirairay, na haravona ho fonjan-kevitra iray vaovao hifanarahana ny vontoatiny. Fahendrena malagasy ny tsy tia ady na mamboly korontana ka naleony nitady hatrany ny « marimaritra iraisana ». Sabatra roa lela anefa izy io satria mety nahatsara ny natao, saingy mety nanova ny fototra ihany koa.
Nikajy fatratra ny fihavanana ny Malagasy ka naleony hatrany nampiasa ny « marimaritra iraisana ». Napetraka ho lolohan-jandry, ohatra, ny vadin-joky raha sanatria ka tsy eo intsony ilay zoky. Izany hoe, anjaran’ny zandry no miahy ny vadin-joky. Tsy nahitana olana fa efa zary « marimaritra iraisana », zary tonga fomba izany. Tsy nataon’ny Malagasy hampiady na nifanilihana ny miadidy ny ray aman-dreny niteraka raha ho avy ny fahanterany fa noraisin’ny matoa (vavy matoa matetika) izany, fa ny valim-babena kosa, samy manao izay ho afany. Tao anatin’ny « marimaritra iraisana » no nanapahana ny hataon’ny tsirairay.
Nisy ny nanararaotra
Satria nipetraka ho fomba na toetra nananan’ny Malagasy ny fitadiavana ny « marimaritra iraisana », nisy ny nanararaotra. Raha mbola variana nitady izany ny Malagasy, niditra nivantana sy nanao amboletra niaraka tamin’ny fomba amam-panaony ny vahiny. Vokany, nitombo indray ny tranga sy ny zava-misy hikarohan’ny Malagasy ny « marimaritra iraisana ». Na tsy tokony hifangaro mihitsy aza ny fahalalana an’Andriamanitra Andriananahary (an’ny Malagasy) sy ny fandehanana any am-piangonana (an’ny vahiny), nanjary nisy ny « marimaritra iraisana ». Nandeha niangona ny Malagasy, saingy « vavaka » no niantsoana ny zavatra (na ny fomba) ataony ao am-piangonana ! Niova tanteraka ny fototra eto. Na ny samy Malagasy ihany koa aza, nisy ny nanararaotra. Tany tsy silampangadin’ny razany akory, ambarany fa azy. Satria, tsy tia ady ny Malagasy, tafarombaka amin’ny « marimaritra iraisana ».
Nanjary fahalemena ilay tanjaka teo aloha
Saika nitadiavan’ny Malagasy « marimaritra iraisana » avokoa ny zava-drehetra. Na efa hita an-karihary izao aza fa lalan-tokana ihany no ahafahana mamaha ilay olana, mbola mikatsaka « marimaritra iraisana » hatrany Ramalagasy. Zary fahalemena ho an’ny fiarahamonina malagasy iray manontolo (ankohonana, fianakaviana, mpiray tanana…) ny fandalana ny « marimaritra iraisana », satria, sady mandany fotoana no hararaotin’ny « matanjaka » handemena ireo efa osa.
Mbola ilaina sa tsia ny « marimaritra iraisana » ? Mbola mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy ankehitriny ve izy io ?… Fanontaniana tahaka izany no mibosesika satria manomboka miteraka fisalasalana ho an’ny Malagasy sasany ny mbola hampiasana azy ity na tsia !
HaRy Razafindrakoto