Hifarana anio ny fivoriana naharitra hateloana handraisan’ny mpitsabo manokana malagasy sy vahiny momba ny tolotra ara-pahasalamana feno ho an’ny olona hiatrika fandidiana ny molotra sima na vaky lanilany eny Ankorondrano. Ankoatra ny fandidiana hatao ny olona manana ireo fahasembanana hatrany ambohoka ireo, ilaina koa no mikarakara ny tohana ara-tsakafo, fandraisana an-tanana ny fianarana miteny, ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ary ny tantsoroka ara-tsaina ho azy ireo. Rehefa voasahana ireo vao azo ambara fa feno ny tolotra ka izay no hoezahin’ny ONG opération Smile, izay feno 40 taona amin’ity taona ity homena ny olona rehetra hisitraka fandidiana. Lafo ny saran’ny tolotra rehetra miaraka ka ilana tolo-tanana samihafa. Izay no anton’ny fihaonana eny Ankorondrano miaraka amin’ny mpitsabo miasa an-tsitrapo sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hizara amin’ny mpivory ny vinan’ny Opération smile sy hifanakalo traikefa amin’ireo seha-pitsaboana hafa tafiditra ankoatra ny fandidiana, hoy ny tomponandraikitry ny OS, Rakotomalala Mirana. 15 taona niasana nandidy maimaim-poana ny olona vaky lanilany na sima molotra ny ONG teto Madagasikara ary 4 000 no efa noraisina an-tanana. Ho an’ny 10 taona manaraka, hitondra tolotra feno ho an’ny olona 15 000 vaovao ny ONG. 900 000 Ar ny saran’ny fandidiana sima molotra na vaky lanilany ka maro ny mpiray ombon’antoka manohana ara-bola ahafahana manatanteraka izany.
Vonjy A.