Namoaka fanambarana ary niantso fampivondronana hery ny Tim any Frantsa, ny 14 novambra teo. Nentanin’izy ireo amin’izany ireo mpandala ny demokrasia, ny olon-tsotra, ny mpandraharaha. Ireo misehatra amin’ny toekarena sy sosialy ka mitovy fomba fijery, vonona handray anjara mavitrika ho amin’ny fanarenana ny firenena. “Amin’ny alalan’ny fifidianana no hitondra antsika amin’ny fampandrosoana ka hivondrona isika hanohana ny kandidà Ravalomanana. Tsy ekentsika intsony ny gaboraraka sy ny hala-bato niseho tamin’ny 2018 na koa ny fitsarana mitanila. Tsy azo ekena ny ramatahora natao tamin’ireo namantsika tamin’ireny“, hoy izy ireo.
Miantso ny rehetra ireto Tim any Frantsa ireto mba hanana hery sy saina ary fahazotoana ialana amin’ny nenina ho amin’ny dimy taona manaraka. Efa fiomanana amin’izany ny fihaonana tsy ho ela hankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko sy ho fanokafana ny fakana bahana amin’ny fifidianana. Tsiahivina fa efa nosokafana ny 5 novambra teo ny taom-pikatrohana ho an’ny Tim Frantsa ka nisaoran’izy ireo ny fiaraha-mientan’ny rehetra tamin’izany.
Synèse R.