Tontolon’ny literatiora: hiray sehatra i Avelo Nidor sy Ny Eja

Raha vao miresaka Ny Eja, mby ao an-tsaina avy hatrany ireo tononkirana mpanakanto tsy afaka am-bavan’ny maro, izay nosoratany. Eo koa i Avelo Nidor, amin’ireo sanganasany tsy afaka am-bavan’ny maro, indrindra ireo mpanaraka ny tontolon’ny haisoratra. Mpanakanto roa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny literatiora no hiray sehatra hitondra ny “ Fitantarana angano sy atelier d’écriture” ao amin’ny sekoly  Pas à Pas Soavinandriana, anio zoma 18 novambra izao. Tanjona amin’izany ny fanentanana ny ankizy hitia ny zavakanto malagasy, indrindra ny haisoratra sy ny manodidina azy “Hampahafantatra ny ankizy ankehitriny ny tontolon’ny angano sy ny soatoavina entiny hizara traikefa amin’ireo ankizy liana amin’ny fanoratana tononkalo, indrindra ireo ankizy efa manoratsoratra tononkalo. Hanentana ny ankizy hitia sy hankamany ny boky malagasy ary indrindra indrindra hanentana ny ankizy hamaky boky sy mba hisakaiza amin’ny boky”, hoy i Avelo Nidor. Raha te hanana hoavy mamiratra sy tanora vanona,  volavolaina sy zarina dieny mbola kely, izany indrindra ny anton’izao fihaonana amin’ny mpianatra izao, raha ny nambaran’izy ireo. Efa maro ny seho an-tsehatra notontosain’izy ireo teo amin’ny tontolon’ny literatiora malagasy. Tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny hetsika sy seho hotanterahin’ireto mpanoratra ireto.

Narilala

Partager sur: