Unesco: nomarihina ny « Andro maneran-tany ho an’ny filozofia »

Alakamisy fahatelo ao anatin’ny volana novambra. Natokan’ny Unesco ho « Andro maneran-tany ho an’ny filozofia ». Notanterahina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso ny hetsika mifanandrify amin’izany. «  Ahafahana manokatra fijery indray, indrindra indrindra adihevitra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Natokana hieritreretana ny olombelona sy ny ampitsony ihany koa ity Andro maneran-tany ity », hoy Ravelojaona Manda, sekretera jeneralin’ny vaomieram-pirenena momba ny Unesco (SG.Com.Nat) raha namintina ny zava-dehibe fonosin’ny fanamarihana sy tiana hampitaina ho an’ny rehetra.

Nohamafisiny fa : « miova ny tontolo, mila fandinihana sy fieritreretana lalina izany fiovana izany. tsy vitan’ny ekena na lavina fa mila adihevitra misokatra mba ahafahana mandamina ny fiarahamonina. Ao ny mahay mihaino, ao ny mahay miresaka, mifanatona ireo ». Notsiahiviny rahateo fa anisan’ny voizin’ny Unesco ny fandriam-pahalemana. « Ny fisokafan’ny vava miteny sy mitondra hevitra dia anisan’ny mitondra filaminana ara-tsaina sy ara-piarahamonina », hoy hatrany ny SG.Com. Nat.

Fantatra fa manomboka mahaliana ny tanora malagasy ny fianarana ny taranja filozofia. 150 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny Mention Filozofia amin’izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: