Usaid Hay Tao: jerena ny rariny ara-tontolo iainana

Natao, omaly, ny atrikasa handravonana ny hampiharana ny hisian’ny rariny sy ny hitsiny amin’ny lafiny tontolo iainana (Justice environnementale) eto amintsika. Nambaran-dRandrianirina Fanoezantsoa, talen’ny sampana miady amin’ny kolikoly ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (M edd), fa tanjona ny hametrahana ny sehatra rehetra handray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, mba ho lovain’ny zanaka sy ny taranaka ny harena voajanahary.

Nomarihiny fa efa eo ny tsindry ara-voajanahary vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Fa eo koa, izay tena iaraha-mahita ny fanapotehana ny harena voajanahary , vokatry ny fahasahiranana ara-pivelomana. Tanjona tamin’ity atrikasa ity ny handravonana ny vahaolana hiatrehana izany olana izany. Isan’ny nisongadina ny hanomezan-danja ny fokonolona, ka ao anatin’izany ny “Dina”, ohatra, ka tokony hampifanarahana amin’ny lafiny lalàna ara-pitsarana.

Hatolotra eny amin’ireo sehatra tomponandraikitra mpanapa-kevitra ny fehin-kevitra tinapaka tamin’ity atrikasa ity, namehezana ny fanehoan-kevitra samihafa avy any ifotony. Tafiditra ao anatin’ny fandarahanasan’ny Usaid Hay Tao ity natao ity, mikasika ny lafiny tontolo iainana.

Njaka A.

Partager sur: