Nanokatra varavarana ho an’ireo tanora malagasy ny Fondation Friedrich- Ebert- Stiftung (FES) eto Madagasikara sy ny YLTP (Youth Leadership Training Program). Hetsika natao tetsy amin’ny Cercle des cheminots Soarano, omaly, nanomboka tamin’ny 8 ora sasany maraina hatramin’ny 05 ora hariva. Nahafahan’ireo tanora marobe nampiseho ny fahaizany mitarika sy nifandray tamin’ireo tanora hafa ihany koa.
Hetsika « YLTP Open Space 2022 », nitondra ny lohahevitra hoe: “Tanora mpitarika, mitondra fiovana amin’ny fotoanan’ny krizy maneran-tany”, nokarakaraina sy notohanan’ny FES . Nandraisan’ny mpianatra nahavita fiofanana tao amin’ny YLTP anjara. Tanjon’ny hetsika ny hampivelarana ny fahaiza-mitariky ny tanora eo amin’ny firenena sy ny fiarahamonina misy azy. Teo koa ny hampiroboroboana ny demokrasia.
Nahitana hetsika maro toy ny « Donakafon’ny tanora » (Data), fotoanan’ny adihevitra. Nitondrana vahaolana sy fanovana eto amin’ny firenena, indrindra eo amin’ny tsy fanjarian-takafo misy eto amin’ny Nosy. Teo koa ny « speed networking », nahafahan’izy ireo nifampiresaka kokoa. Hita tao ihany koa ny “petit salon”, fotoana nifampizarana traikefa. Nofaranana tamin’ny fanentanana ara-kolontsaina izany.
Nahitana tranoheva 20 teny an-toerana. Nandray anjara tamin’izany ny Liberty 32 ny Transparency International ny Ceni, ny Tily sy ny mpanazava eto Madagasikara…
Manodidina ny 400 ireo mpikambana ao amin’ny YLTP nanomboka ny taona 2005 no ho mankaty. “Ampirisihina ny tanora vehivavy amin’ity fahaizana mitarika ity noho izy ireo manana sakana amin’ny tenany eo amin’ny fifandraisana aman’olona », hoy Ramatoa Domoina Ratsara, serasera eo anivon’ny YLTP.
Nanomboka ny taona 2012 izy ireo no nanao ny « YLTP Open Space ». Hetsika andiany faha-18 ity, natao omaly ity ary efa mitady ireo ekipa handrafitra ny andiany faha-19 sahady izy ireo. Hisokatra tsy ho ela ihany koa ny fiofanana 2023, hanasana ireo tanora te ho lasa mpitarika.
Mino (mpianatra asa)