Rehefa nivadika tamin’ny fampiharana ny rafi-pampianarana Licence-Master-Doctorat (LMD) ny fampianarana ambony teto amintsika, fitaovana iray tena nilaina ny fikirakirana ny nomerika. Napetraka ny taona 2012 ny Irenala, izay tambajotra anatiny mampifandray ny toeram-pampianarana ambony sy ny toeram-pikarohana sasany tantanin’ny fanjakana ahitana ny oniversite enina sy ny sekoly ambony telo IST eto Antananarivo, Ambositra ary Antsiranana miaraka amin’ny foibem-pikarohana CIDST, CNRE, CNRIT, Fofifa…. Tanjona ny fanamorana ny fametrahana ny rafitra LMD satria tokony hisy « connexion » avokoa eny amin’ny efitrano fianarana hanampy ny mpianatra amin’ny fandraisana ny lesona sy fanaovana fikarohana. Ankoatra ny fanohanana ny fampianarana ambony, nanome tolotra fananganana ny site web sy ny fizarana fampianarana ampitain-davitra ny Irenala, araka ny fanazavan’ny mpitantana ny tetikasa, Ravelomanantsoa Harinaina, omaly, teny Andraharo. Ny orinasa Telma no manome ny connexion ahafahana manatanteraka ny asa rehetra sy ahazoan’ny tambajotra mifandray tsy tapaka. 29 ny mpikambana anatin’ny tambajotra ankehitriny raha 21 izy teny am-piandohana. Ho fanatsarana ny fitantana ny fampianarana ambony, nirosoana ny « digitalisation » amin’ny fizarana ny karaman’ny mpiasa sy ny fitantana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra. Hiditra amin’ny dingana faharoa amin’ny fahazoan’i Madagasikara ny tambajotra nomerika ho an’ny fampianarana sy ny fikarohana eto Afrika ny Irenala. Efa vita ny fanadihadiana teknika fa eo am-panombanana ny vola ilaina sy ny fanatanterahana ny tetikasa ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny mpitantana ny tambajotra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra. Feno 10 taona ny tambajotra
Tsapa nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 fa zava-dehibe ny « télétravail » vokatry ny fihibohana sy ny fanajana ny fepetra sakana tsy hiparitahan’ny tsimokaretina. Tsy vitsy ny orinasa nampihatra ity fomba fiasa vaovao ity.
Vonjy A.