Ampandrana: jiolahy tratra nitondra gony feno kilalao sy kojakojan-dakozia

Jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, omaly, tamin’ny 2 ora latsaka teny Ampandrana noho ny raharaha vaky trano. Polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahatsikaritra olona telo nivimbina gony sady mampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Nikasa hitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ireo polisy ka raikitra teo ny fisamborana. Tratra izy telo mianadahy ka rehefa nosavaina ireo gony dia kilalao sy kiraro ary kojakojan-dakozia maro isan-karazany no hita tao. Nentina nanaovana famotorana teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo ka tamin’izany no nilazany fa saika hoentina hamidy eny an-tsenan’ny Vorodamba eny Isotry ireto entana halatra ireto.

Tratra teny akaiky ny fasana Anjanahary

Saron’ny polisy CSP3 teny akaiky ny fasana Anjanahary koa ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendahana, afakomaly tolakandro. Nametraka paikady ny polisy mba hisorohana ireo trangana tsy fandriampahalemana miseholany amin’iny faritra iny ka nahatonga azy ireo nidina teny an-toerana. Faritra isan’ny ifamezivezen’olona marobe iny toerana iny ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nametrahana polisy avokoa ireo toerana fieren’ny jiolahy. Nahitam-bokany izany satria vehivavy hamonjy fodiana no narahina lehilahy roa avy ao aoriana. Saika hanararaotra hanendaka azy ireo jiolahy kanjo tsikaritry ny polisy izany ka noraisim-potsiny. Nilaza izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy fa efa maro ireo olona lasibatr’izy ireo teny amin’iny faritra Anjanahary iny.

Jean Claude

Partager sur: