Nifampitadiavan’ny fianakaviany nanomboka ny 06 novambra, hita faty tetsy amin’ny farihin’i Soute à Bombe ny tovolahy iray, omaly.
Natsingevan’ny farihin’i Soute à Bombe, eny Ivato ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, omaly. Tsy hita nanomboka ny 06 novambra lasa teo, nifampitadiavan’ny fianakaviany ity namoy ny ainy ity. Araka ny fizahan’ny mpitsabo, efa nihoatra ny telo andro no nahafatesan’ity lehilahy ity. Heverina ho nateraky ny ady teo amin’io maty io sy olona tsy fantatra izany. Manamarina io ny ratra hita ao amin’ny faritry ny lamosiny sy ny kibony. Nisy nisambotra ity tovolahy ity nandritra ny hetsika tsipy kanetibe teny Ivato, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Nojeran’ireto farany teny amin’ny mpitandro filaminana io havany io. “Namaly ny mpitandro filaminana fa efa navotsotra izy”, hoy hatrany ny fianakaviany. Tsy naharenesan’izy ireo vaovao intsony ny momba ity tovolahy ity taorian’io kinanjo izao hita faty natsingevan’ny rano izao. Misokatra ny fanadihadiana.
Tsiferana R.