Famonoana an-dRakotoarisoa Henri: asa an-terivozona mandrapahafaty ho an’ny olona 8, migadra 3 taona ny roa

Anisan’ny didy mafy sy mavesatra indrindra ho an’ireo meloka namono olona niaro ny tontolo iainana, no nivoaka tany amin’ny fitsarana Ambatolampy, omaly. Tsy hionona amin’izany ny fikambanana fiarahamonim-pirenena nanampy ny mpitory, ny AVG, fa mbola hitady ireo atidoha mpaniraka.

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ny famonoana an-dRakotoarisoa Henri, mpitolona ara-tontolo iainana, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny 2 jona 2022 teo tany Ankazondandy Beparasy, distrika Moramanga. Miisa 35 ireo niakatra fitsarana ka notazonina am-ponja vonjimaika ny 12. Voaheloka hiasa an-terivozona mandrapahafaty ny olona valo tamin’ireo 12 ireo. Migadra telo taona an-tranomaizina, sazy mihatra ny roa vokatry ny tsy fandraisana andraikitra manoloana olona iharan-doza. Nohafahana noho ny fisalasalana kosa ny roa farany. Nohafahan’ny fitsarana madiodio kosa olona 21 voarohirohy ambiny. Mahatratra 40 tapitrisa ar ny onitra haloa amin’ny fitsarana.

Fandresen’ny OSC sy ny mpiasam-panjakana tena miasa

Manoloana ireo, nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny Alliance voahary gasy (AVG), Razakamanarina Ndranto, fa anisan’ny fandresena goavana ho an’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC) sy ireo mpiasam-panjakana tena manao ny asany ireo didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) Ambatolampy ireo. Indrindra ho an’ireo olona na fikambanana miady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tsy vita ny ady, mbola karohina ireo mpaniraka

Ankoatra izany, nanamarika ny filohan’ny AVG, fa “mbola hanohy ny fanadihadiana lalina izahay hamantarana ny atidoha tena mpaniraka ireo namono nahafaty an-dRatompokolahy Rakotoarisoa Henri”.

Dikany, tsy vita hatreo ny tolona, manoloana ireo mpanimba ny tontolo iainana.

Tsiahivina fa maty nisy namono Ratompokolahy, nanohitra hatramin’ny farany ny  fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ataon’ny sokajin’olona maromaro any Ankazondandy Beparasy. Efa an-taona maro no nisian’izany fanimbana izany, manoloana ny ady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: