Fandoavam-bola « en ligne » : fiaraha-miasa Visa sy Orange Money

Miara-dalana izao ny Visa sy ny Orange Money Madagascar amin’ny fandoavam-bola « en ligne » na aiza na aiza maneran-tany.Visa, izay lohany amin’ny fampiasana nomerika maneran-tany mitambatra amin’ny Orange Money eto Madagasikara manome vahaolana 100 % amin’ny fandoavam-bola « en ligne ». Hampiavaka ny toekarena malagasy ny fananana karatra, ary voaro ny vola noho ny fahaizan’ny Visa amin’ny alalan’ny « code CVV » isaky izay atao. Misy manamarina izany amin’ny alalan’ny 3DS tonga amin’ny finday isaky ny fandoavam-bola atao. Ny karatra « Visa Akory » ahafahan’ny Malagasy roa tapitrisa manamora ny fandoavam-bolany.

Ny fampiasana io karatra io amin’ny finday mivantana, tsindrina fotsiny ny  # 144# sy 6 ary ankatoavina amin’ny alalan’ny « code secret ». Izay ny ahafahan’ny tompon’ny finday mividy izay ilainy eto an-toerana na any ivelany.

Fitohizan’ny paikady nataon’ny Orange Money eo amin’ny lafiny ara-bola izao, izay efa nampiharina teto Madagasikara maherin’ny 10 taona, ary mandroso hatrany ny teknolojia. Mametraka fomba fandoavam-bola vaovao sy azo antoka tanteraka ny Orange Money. « Amin’ny fomba tsotra sy misy fiarovana feno. Tsotra satria ao amin’ny rafitra Orange fotsiny dia afaka mampiasa ny karatra, voaro satria misy code secret ary mahavoaray ilay 3DS miovaova isaky manao fandoavam-bola. Tsy misy sarany isaky ny mamelona Visa, ary 1000 Ar fotsiny no alaina isaky mandoa vola. Efa betsaka ireo tranombarotra mitady fandoavam-bola “en ligne”, hoy Nandrianina Randrianatoandro, lehiben’ny tetikasa ao amin’ny Orange.

 

Ndrina

Partager sur: