Faritra Atsimo Andrefana: olona noana 17 493 hisitraka ny “Toseke Vonje Aigne”

Nosantarina teto amin’ny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, omaly, ny fizarana ny vola hanampiana ireo olona latsaka lalina anaty fahantrana sy ny mosary vokatry ny haintany aty atsimo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Haratonaina fiahiana mpiara-belona (FSS) fiahiana ara tsosialy vokatry ny loza sy ny tandindondoza 9.487 ireo nisitraka izany eto Ampanihy. Mitontaly 17 493 kosa ireo olona hisitraka izany ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, distrikan’Ampanihy Andrefana sy Betioky Atsimo. Efa nisy ny fanampiana andiany voalohany tamin’ny taon-dasa, saingy vao mainka nihamafy ny haintany ka notohizana amin’ity taona ity ny  tetikasa.

Tetikasa  arindran’ny minisiteran’ny Mponinana, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia sy ny BNGRC ary tanterahin’ny FID eny ifotony ny Toseke Vonje Aigne. Ny banky iraisam-pirenena kosa no mamatsy vola ny tetikasa. Vola iray hetsy ariary (100.000 Ar) isan-tokantrano no zaraina mandritra ny enim-bolana ka mitentina 6 hetsy Ar no azon’ny tokantrano iray ao anatin’io enim-bolana io (novambra, desambra 2022…janoary-avrily 2023). Ireo mpisitraka tamin’ny taon-dasa dia mbola nisitraka tamin’ity taona ity.

Hividianana sakafo iadiana amin’ny mosary mandritra ny haintany mivaivay sy mandavan-taona aty atsimo ny vola zaraina.

Sahirana ny mponina satria tsy mamokatra ny fambolena noho ny tsy fisian’ny orana. Izay no antom-pisian’ny tetikasa Toseke Vonje Aigne ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana, androy ary Anosy. Mitentina 9 miliara Ar ny vola natokana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ho an’ity tetikasa ity. Ankoatra ny vola 100.000 Ar omena ireo fianakaviana sahirana sy marefon’ny hanoanana dia omena tan-tsoroka amin’ny fahaiza-mitantana ihany koa ny fianakaviana. Torak’izany ny fampiatiana ara-toekarena sy fanatsarana ny vokatra na sahan’asa hafa atao.

Tatiana

Partager sur: