Marihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa, ao anatin’ny herinandro ny faha-59 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Nanomboka ny 16 novambra, fandaharam-potoana maro no notanterahina. Ny anio kosa, hiroso amin’ny fanapahana ireo tetikasa hotanterahina amin’ny taona 2023, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro no hanatanterahana izany eny amin’ny CCI Ivato. Hanatanteraka ny fianianany kosa ireo filoha isan-tsehatra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ho an’izay tsy tonga eny an-torerana, afaka arahina amin’ny alalan’ny « zoom » sy ny « facebook » no hanatanterahana izany.
Marihina fa anisan’ny kolontsaina malagasy manomboka mahasarika tanora maro ny kabary. Antony iray mandrisika ny Fi.Mpi.Ma hampiasa ny teknolojia vaovao io tranga io.
HaRy Razafindrakoto