Nifampidinika momba ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy tetsy Ampefiloha ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), omaly. Noresahina tamin’izany ilay tolo-dalàna fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy. “Mety hisy ny hanjo azy ireo. Iharan’ny tsindry sy ny ramatahora ka ilaina ny lalàna iarovana azy ireo. Havahana koa anefa ny vary sy ny tsiparifary fa tsy ny rehetra no mpisintona lakolosy. Hofaritan’ny lalàna ireo tena izy amin’izy ireo“, hoy ny avy amin’ny HCDDED, Randy Donnie. Nanteriny fa efa eny amin’ny Antenimierampirenena izany, handalo vaomiera. Jerena amin’izany ny momba ireo tena manao ny asany sy ireo mpijapy lamasinina fotsiny ihany, araka ny nambarany. “Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany ka mametraka ny mpisintona laokolosy ho anisan’ny mpiaro ny zon’olombelona. Tsy ho mpisolovava kosa anefa izy ireo“, hoy ihany izy.
Manampy izany ny fiarovana ireo vondrona marefo toy ny sembana, zaza amam- behivavy na koa ny varira. Na izany aza, hofaritan’ny lalàna. Notsiahiviny fa efa nampanantena ny handany izany lalàna izany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanjakana ka nanome toky ny hirosoana amin’izany. Matoky ny fahendren’ny governemanta sy ny depiote ny HCDDED.
Synèse R.