Nampahafatarina teny Ampasanimalo, omaly, fa hisy mpanakanto folo vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery amin’ilay tetikasa Vina. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny trano fampiratina amin’ny 24 novambra, ary maimaim-poana ny fidirana.
Taorian’ny telo taona nikatonan’ny Isart Gallery noho ny Covid-19, miverina misokatra indray ny trano fampirantiana. Nampahafantarin-dRakotoarivony Tahina, talen’ny Isart Gallery, teny Ampasanimalo, omaly, fa misy mpanakanto 10, izay enin-dahy sy efa-bavy nahavita fiofanana, hiaraka hiasa amin’izy ireo amin’ny tetikasa Vina, nalaina tao anaty tononkalon’i Zanamihoatra Randja. Isan’izany Aina Zo, Match box izay mpaka saripika, Clypse Teen, Naty Kaly, Ponk, Taka Andrianavalona, mpanao hosodoko ary i Sleeping Pop, Andry Anjoanina, Eric Rakoto, Maherisoa Rakotomalala, ny mpanao sary sikotra. Nosafidiana tamin’ny fomba fiasa sy amin’ny maha matihanina ireo manan-talenta malagasy ary maharitra roa taona ny fifanarahana izay azo havaozina isaky ny herintaona. Tanjona ny hanehona ny vahoaka ny zava-bitany ireo artista malagasy, ahitana mpanao sary sikotra, pika sary, hosodoko ary ny mba hanjifantsika izany. Nisy fanavaozana ara-drafitra sy fomba fiasa eny an-toerana, anisan’ny singa iray tena mampiavaka azy ireo mihoatra ny trano fampirantiana hafa.
« Resy lahatra hiara-kiasa amin’izy ireo ny tenako, noho ny tanjona izay mifanaraka tsara amin’ny lentako, ary amin’ny fidiran’izy ireo amin’ny sehatra matihanina, indrindra fa ny fanaparitahana ireo vokatra eto Madagasikara sy any ivelany. Tsara ilay tetikasa Vina. Ny 60 % ny zavatra vokariko dia niarahako niasa tamin’ny Isart Gallery», hoy Rakoto Eric, mpanao sary sikotra. Marihina fa natao hitadiavana vola sy hampiroboroboana ny zava-bitan’ny artista eto an-toerana no antom-pisian’ny Isart.
Tsiaivina fa hisokatra amin’ny 24 novambra ho avy izao ny toerana. Entanina ny olona hanjifa sy hitsidika, efa misy koa ny tranonkala amin’ny aterineto.
Fitia (Mpianatra Asa)