Hisorohana ny tsy fandriampahelamana ao amin’ny tanànan’i Manakara, voasambotry ny polisy ny mpivarotra rongony tao Mahavelo, fokontany Manotro, kaominina Namorona, omaly. Nampitaraina ny mponina manodidina, nanao fitsirihana tampoka ny zandary. Tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany ity mpitsinjara rongony amin’ny tanora ao an-toerana ity. Rehefa natao ny fisavana, nahitana fonosana rongony valo tao amin’ity lehilahy ity. Tsy vitan’io, nahitana rongony milanja 300 g anaty solefanina koa tao aminy. Nambarany fa amidiny ary ataony fivelomana mihitsy ireto entana ireto. Nogiazana ny rongony. Natao fanadihadiana ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ilay mpivarotra. Marihina fa maro ny tanora miankindoha amin’ny zava-mahadomelina ao Manakara.
Tsiferana R.