Minisiteran’ny Mponina: nahazo fanampiana ireo traboina

Nidina ifotony avy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, taorian’ny tranga niseho tany Farafangana tamin’ny fahamaizan’ny trano miisa 300 mahery.

Tonga nanolotra sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina miisa 1 464 ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ahitana  vary fotsy 10 kg miampy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), isam-pianakaviana izany fanampiana izany.Nifanotrona tamin’ny solontenan’ny minisitera ny lehiben’ny faritra sy ny prefet ary ny depiote voafidy any an-toerana. Nankasitraka izao hetsika izao ireo vahoaka sady nisaotra manokana ny minisitra Soafilira Princia noho izao fanampiana sy tsy fanadinoana amin’ny andro sarotra izao.

Tsiahivina fa miisa 331 ireo trano may ka Tranobe, anisan’ny manan-danja eo amin’ny fiarahamonina any an-toerana ny 29 amin’izany.

Synèse R.

Partager sur: