Efa eny an-tanànan’ireo depiote ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2023. Hita taratra amin’izany ny fironana amin’ny Paikady enti-mampandroso (PEM). Misongadina ny fijerena ny sosialim-bahoaka sy ny fanomezana asa ary koa ny fanorenana. Eo koa anefa ny toekarena sy ny tontolo iainana. Niakatra kely ny tetibola ho an’ireo minisitera sy Andrimpanjakana ary rafi-panjakana samihafa. Tafakatra 791 miliara Ar izany. Niakatra nanaraka izany ny tetibola ho an’ny minisitera isany, ny fahasalamam-bahoaka, ny fanabeazam-pirenena ary koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy.
Eo koa ny fanomezana asa, toy ny fandraisana mpiasam-panjakana maherin’ny 9 000. Hiasa eny amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary amin’ny filaminana sy ny fitsarana izy ireo.
Ankoatra izany, ezahina hotratrarina kosa ny ezaka amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo, manoloana ny ady any Ukraine. Tombanana ho 4,9% ny fiakaran’ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena faobe 2023.
Synèse R.