Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina tao amin’ny fokontany Amboavahy/Ambohimanarina ny jiolahy iray, afakomaly maraina izay voarohirohy amina halatra. Nomarihin’ny polisy fa tokony hamita sazy any am-ponja ity jiolahy voasambotra ity kanjo izao tratra nanao asa ratsy izao. Manatanteraka asa ivelan’ny fonja (MOP: Main d’oeuvre pénale) ity jiolahy ity kanjo nanararaotra nanohy ny asa ratsiny indray nandritra izany. Nahatsikaritra olona hafahafa fihetsika teo akaikina mpanao taxi-phone iray eny amin’ny faritra Amboavahy ny polisy, afakomaly. Saika noraofin’ity jiolahy ity avokoa ny entana sy vola tao aminy raha sendra variana kely ilay mpanao taxi-phone. Niantso polisy avy hatrany ilay tompona taxi-phone taorian’izay. Tonga ara-potoana ny polisy ka noraisim-potsiny ity jiolahy ity niaraka tamin’ny vola sy ireo telefaonina efa teny am-pelatanany. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
Jean Claude