Nihaona tamin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgar teto Toamasina ireo mpandraharaha vaventy amin’ny fihariana letisia. Fantatra fa hisokatra amin’ny talata 22 novambra ny fotoam-piotazana any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Efa nanomboka ny 14 novambra teo ny fikarakarana ny antontan-taratasy ho an’ireo hanangona letisia any amin’ny tantsaha.
Manahy mafy amin’ny haratsian’ny vokatra letisia ka mety ho matiantoka ireo mpanangom-bokatra. Mahatsapa mantsy izy ireo fa tsy mbola ampy ny rotsak’orana, ilaina hanatsara kokoa ny voa. Miantso ny fanjakana handrotsak’orana izy ireo, mba tsy hitondra henatra avy amin’ny mpanjifa any ivelany. Nampatsiahy ny mpandraharaha iray fa nisy toy izany tamin’ny taon-dasa ka voatery naverina taty Madagasikara ny letisia simba sy lo tanaty palety iray, nentin’ny sambo “Baltic Klipper”.
1.300 Ar ny kilao
Nisy fisondrotana 200 Ar ny vidin’ny letisia amin’ity taom-piotazana ity ka 1.300 Ar, raha oharina tamin’ny taon-dasa 1.200 Ar.
Mahatratra 130.000 Ar ny hetra tambatra isaky ny fiara mpitatitra, mahazaka entana 1,5 taonina. Mandoa 160.000 Ar kosa ho an’ny fiara 1,6 t hatramin’ny 3 t ary 180.000 Ar ho an’ny fiara 3 t hatramin’ny 6 t, 200.000 Ar ho an’ny mihoatra ny 6 t hatramin’ny 10 t ary 220.000 Ar ho an’ny 10 t no ho miakatra.
Sajo sy Njaka A.