Toetr’andro anisan’ny mahatonga aretina maro izao andro iainantsika izao. Ny sohika, olana ara-pisefoana, fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandra any amin’ny loha, gripa ary eo koa ny Covid-19 izay mbola eny amin’ny toerana rehetra eny. Ny soratr’aretina gripa no tena mahazo vahana indrindra, raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny hopitaly miankina sy tsy miankina.
Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 25%-n’ny marary no tonga eny amin’ny hopitalim-panjakana ho an’ny eto an-dRenivohitra, raha toa ka 80 ka hatramin’ny 85 % kosa ny eny amin’ny dokotera tsy miankina, araka ny fanazavan’ny mpitsabo eny amin’ny hopitaly tsy miankina iray. Mbola betsaka kosa ireo manao dokotera tena noho ny olana ara-bola sy ny fahatahorana mety ho voan’ny Covid-19 na hifindran’aretina hafa. Ny vehivavy bevohoka sy ireo nahazo taona ary ny zaza no tena andairan’ny aretina ka tonga manatona dokotera. Ho an’ny hopitaly tsy miankina nanontaniana, mahatratra 50 isan’andro eo ny marary raisiny, voasokajy betsaka amin’izany ny valanaretina gripa.
“Tsara kokoa ny mitsabo tena amin’ny dokotera tsy miankina noho ny amin’ny hopitalim-panjakana”, hoy ny marary nanontaniana. Rahefa mahatsapa hafahafa ny vatana dia aleo tonga dia manatona dokotera, hoy hatrany izy. Mba tsy hanano sarotra ny fitsaboana ny aretina. Ny manakotsako vanin-taolana, mahatsapa faharerahana, tsy mahinan-kanina sy ny maro hafa no mahazo ny olona sendra anay teny amin’ny hopitaly tsy miankina. Izany ny nahatapa-kevitra azy ireo handeha dokotera.
Fambaran’aretina gripa
Ireto avy ny fambaran’aretina gripa miseho amin’ny olona iray: tazo mahery ( manodidina ny 39°C) sady mangatsiaka, reraka mafy (asthénie), tsy mazoto misakafo, manakotsako na manaintaina ny vanin-taolana, marary an-doha ary mikoha-maina sy marary. “Mety ho tratran’ny covid-19 ny marary iray tratran’ireo trangan’aretina ireo raha sanatria ka tsy voatsabo dieny mialoha », hoy hatrany ny mpitsabo teo anivon’ny hopitaly tsy miankina iray nanontaniana. Efa ambany dia ambany ny hery fiarovana ao aminy ka mety hihamafy ny aretina. “Aretina anisan’ny hamaivanin’ny olona indrindra ny gripa, raha ny fanadihadiana natao. Mahatonga aretina hafa anefa izany », hoy ny mpitsabo hatrany.
Manodidina ny 20.000 – 30.000 Ariary no vola homanina raha hitsabo tena eny amin’ny hopitaly miankina, hoy ny mpitsabo nanontaniana. Manodidina ny 10.000 – 30.000 kosa ny eny amin’ny dokotera tsy miankina.
Efa nihatsara ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo
Nanomboka tamin’ity herinandro ity, hita fa nihamaro ny olona tonga manatona ny sampam-pitsaboana misahana ny mpiasa manokana ho an’ny orinasa miahy tena. Vao maraina, efa mitandahatra ny mpiasa na ireo fianakaviany hanatona mpitsabo. « Voan’ny gripa, misy fanaviana, mikohoka miharo sery ny mahazo ny ankamaroan’ny olona milahatra ary tsy vitsy ireo mitondra zaza madinika. Ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo sy ny fiakaran’ny maripana ambony no antony mitarika ny tsy fahasalamana amin’izao fotoana izao », hoy ny mpitsabo. Nanambara ny sampana manara-maso ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo fa nisy fihatsarana ny kalitaon’ny rivotra fohana satria avo roa heny amin’ny fenitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ny fivangongoan’ny akora madinika mandoto ny rivotra raha efa tafakatra avo enina heny izany, ny herinandro lasa teo. Ho an’ny telo andro manaraka, hijanona ho antonony ny kalitaon’ny rivotra vokatry ny firotsahan’ny orana.
Mino (mpianatr’asa), Vonjy