Randriatoandro Sylvia, na Tiavina. Izy indray no nosafidian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina hampahafantarina mandritra ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”. Mpanoratra nanomboka ny taona 1997, poeta mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra nanomboka ny taona 20023 ary mpilalao tantara amin’ny onjampeo sady mpikambana ao amin’ny Vondrona Mpiangaly Tantara i Tiavina. Saika handrenesana ny feony ireo onjampeo mandefa tantara rehetra, toy ny RNM, Viva, RDB, Kolo Fm, Record Fm, sns. Namorona tantara an’onjam-peo maro rahateo i Tiavina, ka anisan’ireny ny “Alarobia tsy miverina”, “Ramilamina sy Ramiadana”, “Mamy masira”, “Fifaninanana mantsina”, “Amboara tsy nentina”, sns.
Toy ny fanao mandritra ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, hisy ny fampirantiana ireo asa sorany ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Anisan’ireny ireo efa nivoaka boky toy ny “Bolongan-teny” sy ireo amboaran-tononkalo maromaro niarahany tamin’ireo mpanoratra mpiray faribolana aminy. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ny mpanoratra amin’ny fandaharana ao amin’ny fahitalavi-pirenena sy ao amin’ny pejy “Facebook” an’ny minisitera. Ankoatra izay, hisy ny fihaonana mivantana amin’ny mpanoratra, izay ampahafantarina tsy ho ela, hotontosaina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ihany.
Zo ny Aina