« 25 taona milay faradoboka »: notronin’ny mpankafy avy any amin’ny faritra ry Ny Ainga

Ho famaranan’ny tarika Ny Ainga ny hetsika « 25 taona milay », nisy ny fampisehoana lehibe notontosain-dry zareo tetsy Antsahamanitra. Miavaka ny seho, omaly, satria tonga tao avokoa ireo mpakafy ny tarika manerana ny Nosy. Anisan’ireny ny fikambanana ny mpakafy ny Ainga avy any Antsiranana. “Efa ela ny tenako no tsy nijery Ny Ainga ka fotoanan’ny androany mba hankafizana sy hanaovana asa soa ho an’ny fiangonana.” hoy i Christinah, iray amin’ireo mpakafy tonga maro be teny an-torerana.

Maro ny hira tany ambadiky ny 20 taona no nokaloin’i Luc sy ny namany. Anisan’izany ny « Bon Anniversaire », « Tsy misy toa anao », « Ry Ray » … Nahoraka ny tao Antsahamanitra. Ny hira rehetra, saika narahin’ny mpijery avokoa. Nanongilan-tsofina tsara ihany koa ny mpijery rehefa nisy ny hira vaovao. Nezahan’ny tarika Ny Ainga notazonina hatrany rahateo ilay mampiavaka an-dry zareo. Feo mirindra, fanamiana miavaka, sns.

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana, omaly, ny fandraisan’anjaran’ny tarika Rebika. Fampiaraham-peo ny tarika roa tonta. Ny tarika Rebika mikalo ny hiran’ny Ny Ainga. Ny Ainga mihira Rebika. Ireo rehetra ireo, samy nanintona ny mpankafy avokoa.

Fantatra fa hetsika nokarakarain’ny Vondrona fototra laika (VFL)  Ambohimiadana Fanilo ny « 25 taona milay faradoboka ». Seho an-tsehatra natao hampitaovana ny fiangonana eny an-toerana. .

Fitia (Mpianatra asa)

 

Partager sur: