30 taona an-tsehatra: nihoatra no ho ny noeritreretina ny natolotry ny Mage 4

Faly ny rehetra nandritra ny fampisehoana fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika Mage 4. Na ny mpankafy na ny mpanakanto na ny mpikarakara samy afa-po avokoa. Naneho zavatra tsy nampoizina ny rehetra.

Nihoatra lavitra no ho ny noeritreretina ny seho fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika Mage 4. Fampisehoana an-tsehatra notanterahina teny amin’ny Lapan’ny kolotsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, omaly alahady 20 novambra. Na ny mpanakanto na ny mpankafy na ny mpikarakara samy afa-po avokoa !

Nampitetezin’ny tarika Mage 4 ny vanim-potoana rehetra nandalovany sy niainany ireo mpankafy tonga teny an-toerana. Samy nokaloina tao avokoa ireo hira nampalaza azy fahiny sy ireo tsy afaka ao am-bavan’ny mpankafy ankehitriny. Teo ihany koa ny fihirana ny hiran’ny tarika hafa. Mbola tena mitoetra ao am-pon’ny mpankafy sy ny Malagasy tokoa raha ny tarika Mage 4 na efa 30 taona nisiana aza.

Raha tsiahivina, ny taona 1992 no niforonan’ity tarika ity. Zatovo mpanan-talenta 8 no namorona azy tamin’izany. Helian, Lita, Mika, Tins, Elisé, Solohery, Zézé ary Bema. Any ampitan-dranomasina ny ankamaroan’izy ireo… Nodimbiasin’ireo zandry ankehitriny ny fameloma-maso ny tarika.

Tsy nifidy taona ny fitiavana ny tarika Mage 4. Mpankafy amina sokajy taona maro no tonga teny amin’ny Lapan’ny kolotsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. “Mahafinaritra foana ny hiran’ny tarika, ary mbola voatazona ilay maha “Mage 4” an’ny Mage 4”, hoy i Hanitra, 47 taona, mpankafy ny tarika.

“Vonona foana ny mpikarakara hiara-kiasa amin’ny tarika manana ny maha izy azy sahala amin’ny Mage 4. Miezaka hatrany manome ny tsara indrindra ho voninahitry ny kanto malagasy izahay”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: