Bekily: kaominina 55 amin’ny 58, manana toeram-pivoahana ny mponina

Ny 32%-n’ny Malagasy no manana trano fivoahana na kabone, ankehitriny. Nankalazaina tany amin’ny distrika Bekily, faritra Androy, ny 19 novambra teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny trano fivoahana na kabone (JMT). Lohahevitra noraisina ny hoe : « Fanadiovana tsara tantana, madio sy maharitra ». Vina ao anatin’ny tetikasa “Madagasikara madio 2025” ny hananan’ny 90%-n’ny Malagasy kabone. Nosafidiana manokana ny any Bekily satria distrika voalohany afaka amin’ny fangerena an-kalamanjana, na teo aza ny fomban-drazana tsy mamela azy ireo hitahiry maloto. Afaka tanteraka amin’izany fanao izany ny kaominina 55 ao anatin’ny 58 any an-toerana, vokatry ny ezaky ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH).

Tanjona tamin’ity fankalazana ity ny hampitomboana hatrany ny hampiasan’ny Malagasy kabone. Nisy ny fifaninanana ho an’izay manana kabone nohatsaraina. Maro ny hetsika natao, toy ny fitokanana fotodrafitrasa ho an’ny rano fisotro madio, tsangambato fahatsiarovana, fitsidihana tanàna afaka tamin’ny fangerena an-kalamanjana, sns.

Hanomboka ny fitarihan-drano avy any Efaho

Nambaran’ny minisitry ny Rano, Fahadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, tany Bekily, ny faran’ny herinandro teo, fa hanomboka andro vitsy ny tetikasa hametrahana fantson-drano “pipeline” avy any amin’ny reniranon’i Efaho Taolagnaro, mandalo ny lemak’i Maroalomainty sy Maroalipotsy, tonga hatrany Ambovombe, mirefy 97 km. Eo koa ny hitrandrahana rano ambanin’ny tany any atsimo, hametrahana vovon-drano miisa 1.806. Rano azo sotroina sady hampiasaina amin’ny fambolena sy fiompiana.

Notokanana koa ny tohodrano fasika na “San Dam”, any Fenoarivo, kaominina Besakoa, distrika Bekily. Tohodrano misy rano sy fasika, 30 metatra ny halavany, 1,20 m ny haavony. Tanjona ny hahazoana rano 1.600.000 litatra, azon’ny olona ampiasaina mandritra ny efa-bolana, rehefa ao anatin’ny tena main-tany. Nanohana ny fanamboarana ny San Dam ny Unicef.

“Teknolojia tsora sady tsy mandany vola. Haparitaka any atsimo sy ny faritra hafa eto amintsika izany. Tsy rano no tsy ampy eto Madagasikara fa ny fotodrafitrasa hitazonana sy mitahiry entina mampiasa sy mitsinjara azy ”, hoy ny minisitry ny Rano.

Nitsidika ny Jirama Bekily koa ny minisitry ny Rano. Tsikaritra fa mitovy amin’ny lokon’ny rano eny amin’ny renirano ihany ny lokon’ny rano avoakan’ny Jirama. Olana ny tsy fisian’ny fitatavana ny rano (décanteur) efa hatry ny ela. Nanome hanadihadiana ara-teknika izany ny minisitra Ravokatra, mba ho rano tsara kaliato no sotroin’ny mponina any  Bekily.

Ankoatra izany, nanentana ny rehetra ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, hazoto amin’ny hetsika fanomezana kopiam-piterahana sy karapanondro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: