Fanafihana rava: jiolahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina sy distrikan’Ambohimahasoa, tra-tehaky ny fokonolona ny jiolahy iray, ny marainan’ny 16 novambra teo. Telo lahy, nifarimbona hiditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io ireto jiolahy ireo. Mailo anefa ny tompon-trano. Vantany vao nahare ny fisian’ireo olon-dratsy, niezaka nampahafantatra ireo manodidina izy ireo. Nodidinin’ny fokonolona ny trano. Vokany, raikitra ny fifanenjehana ary sarona tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy. Naratra mafy teo amin’ny sorony sy ny sofiny ity farany. Tafaporitsaka ireo roa lahy hafa. Nentin’ny lehiben’ny fokontany teny anivon’ny mpitandro filaminana ilay jiolahy voasambotra. Tsaboina eo anivon’ny CRD Ambohimahasoa izy.

Tsiferana R.

 

Partager sur: