Fanomezan-toerana ireo mpandimby: nidera an-dRatsirahonana ny governora Rasoamaromaka

Nidera manokana ny fialan-dRatsirahonana Norbert Lala tsy ho filoha nasionalin’ny Avi  ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery.” Raha tsy maty sy tsy misolo ary tsy manomana mpandimby ny eto amintsika eo amin’ny fanaovana politika, Anisan’ny nanimba ny Arema izany”, hoy izy. Nanteriny fa mametraka mpandimby fa tsy miala ary mahalala onony. Niaiky ny tenany fa na izy ireo, samy sekretera nasionalin’ny TGV aza, efa tokony hisolo ato ho ato. “Lasa tsy manana fijery vaovao ary mila manaiky fifandimbiasam-pitantanana. Tsy mandroso ny firenena raha tsy izany. Na izany aza, ilaina ihany ny traikefan’ny zokiny“, hoy ihany izy.

Notsindriny fa mbola miara-miasa amin’ny Avi ny eo anivon’ny IRD.

Tsiahivina fa nahazo fanasana manokana, nanao atrikasa “Team building” tatsy amin’ny Nosy Maorisy ireo mpitantana ambony eo anivon’ny faritra Analamanga. Niompana amin’ny fambolena, ny fanorenana, ary fiompiana trondro izany. Nambaran’ny governora Rasoamaromaka Hery teny am-pahatongavana, Ivato ny asabotsy lasa teo fa  tsy ho ela intsony ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra ireo. “Zava-dehibe ny fifandraisana azonay tany Maorisy. Teo koa ny fiofanana nomen’ny profesora iray momba ny “Agro alimentaire” sy ny “Agro business”…”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny traikefa azo tany an-toerana ny fomba fisarihana mpampiasa vola, ny fizahantany sy ny toetsaina tsy mifanararaotra. Eo koa fanorenana trano “Préfabriqués” sy fambolem-bary, ankoatra ny fiompiana trondro.

Synèse R.

 

Nanambara amin’ny fomba ofisialy ny fialany tsy ho filoha nasionalin’ny Avi intsony, Ratsirahonana Norbert Lala, tany Toamasina, ny herinandro teo. “Feno 84 taona aho izao ary 25 taona nitantanana ny Avi ka nanapa-kevitra ny tsy hitarika ny antoko intsony“, hoy izy. Mbola mijanona ho mpikambana aeo anivon’ny Avi ihany ny tenany, saingy ho filoham-boninahitra, manomboka izao.

Nametrahana mpiara-mitantana ny Avi mandra-pahatongan’ny kongresy nasionaly. Mitarika izany  ny Dr Ndahimananjara Johanita sy ny loholona teo aloha, Rabetsaroana Sylvain ary ny depiote, am-perinasa, Rabenirina Jean Jacques.

 

Partager sur: