Indraim-bava: Fieritreritra dieny izao…

 Mandindona sy mitatao tokoa ny fifidianana? Efa mandeha amin’ny zotram-pifidianana aza amin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Miara-dalana na mirazotra ho azy amin’izany ny karazana fitsikerana enti-manatsara izay atao sy manatratra izay kendrena. Tsy inona fa ny efa hay tsinjery hoe fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra. Mby aiza?

Ny amin’izay enti-manatsara ny tontolon’ny zotram-pifidianana io, fa tsy araka izay lazain’ny ny mpanohitra sasany: tsy mety sy ahina tsy hanjary avokoa izay mitranga sy atao rehetra. Ny mahavalalanina, rehefa tena antomotra toy izao ny fifidianana vao ny mampiaka-peo amin’itsy sy iroa. Hany ka voatsara na ahina avy hatrany ho fanakorontanana, fahatahorana fifidianana…

Nahoana, ohatra, raha vao nanomboka fe-potoam-piasany ny mpitondra no nohetsehina ny amin’ny tokony hanitsiana na hanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana? Miainga amin’izay lesoka tamin’ny fifidianana farany izany. Tsy ho hita eo ve izay ratsy toetra, ratsy loha, ratsy fo… Mba atao milamina sy hifanarahana tsara ny raharaha amin’izay, fa tsy kimaimaika na iadiana tombontsoa.

Tsy mety ho vita ve izany? Na tsy mety misy lanjany izay atao raha tsy ao anatin’ny fifanenjanana sy fifanenjehana… Misy ny minia mangina amin’ny toy izany izay heverina ho ady fiady mandavantaona. Ao aza ny mitsoaka ivelany firy tao-maty, fa rehefa antomotra ny fifidianana vao mahita sy mahalala izay tokony hatao sy mahasoa ny firenena, hono. Izany moa no inona?

Tsy mahagaga raha misy miteniteny foana, mitompo teny fantatra… Izay hitany sy niainany tany ivelany no nofinofisiny hampiharina befahatany eto tsy misy famakafakana, fandanjalanjana, fanivanana… Olona toy izany ve no hoe hitondra firenena? Tsy misy fototra na tsy misy fotony araka izay maha izy azy ny tena sy izay tena hetahetam-bahoaka ny hoe fampandrosoana, fa tsy mitsingevaheva sy zary seho ivelany. Tsy mampandroso ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Fieritreritra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao?

Rafaly Nd.

 

 

Partager sur: