Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra – 3 septambra

Tsy misy intsony ny ahiahy fa hatao eto Madagasikara ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Efa nanambara ny fahavononana hampiantrano izany ny Komity Olympika Malagasy (KOM) sy ny fitondrana malagasy.

Nambaran-dRandriamanarivo Harinelina, sekretera jeneralin’ny Komity Olympika Malagasy, ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny foibe toerany teny Ivandry fa hotanterahina eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Hatao ny 25 aogositra ka  hatramin’ny 3 septambra 2023, izany. Efa neken’ireo Nosy rahavavy rehetra io daty naroson’i Madagasikara, io izay nentina teo amin’ny fivorian’ny komity iraisam-pirenena ny lalao (CIJ), natao ny zoma lasa teo ary nanamafisana ny fahavononan’i Madagasikara, handray ity andiany faha-11, ity.

Amin’izao fotoana izao, mitety ireo Nosy aty amin’ny  ranomasimbe Indianina, i Siteny Randrianasoloniaiko, filohan’ny KOM, mampahafantatra ny fahavononan’ny Malagasy, hampiantrano io lalao io. Marihina fa efa nankatoavin’ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana malagasy ny fandraisana ity lalaon’ny Nosy ity.

Manomana sy mikarakara ny COJI

Efa am-perinasa tanteraka ihany koa ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy (COJI), tarihin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Tinoka Roberto. Ao anatin’ny asa tanterahiny ankehitriny ny fanavaozana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa, isan-tokony, izay efa eo am-pamaranana.

Mahatratra 23 ny isan’ny taranja hifaninanana, amin’ity. Efatra kosa ny hanaovana fampisehoana fotsiny dia ny Escrime, ny Teqball, ny Sport Auto ary ny Billard. Ankoatra izay, fantatra fa tsy misy ny “village des jeux” fa hipetraka amin’ny hotely avokoa ireo delegasiona rehetra.

Tsy hijanona eto Analamanga fotsiny ny fifaninanana fa hisy taranja hafa hatao any amin’ny faritra misy ranomasina, toy ny Voile. Mbola hisy ny fivorian’ny CIJ, hotanterahina eto Madagasikara, ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra ho avy izao, hanamafisana indray ny fahavononan’i Madagasikara ary hanehoana fa efa masaka ary matotra ny fanomanana sy fikarakarana ity lalaon’ny Nosy 2023, ity.

 

Torcelin

 

Ireo taranja hifaninanana

1-Atletisma / Paralympique (lahy sy vavy)

2-Badminton (lahy sy vavy)

3-Basikety 3×3 / 5×5 (lahy sy vavy)

4-Ady totohondry (lahy sy vavy)

5-Hazakazaka am-bisikilety (lahy)

6-Fitsambikinana an-tsoavaly (lahy sy vavy)

7-Baolina kitra (lahy sy vavy)

Beach soccer (lahy)

8-Fibatana fonjam-by (lahy sy vavy)

9-Handball (lahy sy vavy)

10-Judo (lahy sy vavy)

11-Karate (lahy sy vavy)

12-Kick-boxing (lahy sy vavy)

13-Lutte (lahy sy vavy)

14-Lomano / Paralympique (lahy sy vavy)

15-Tsipy kanetibe (lahy sy vavy)

16-Rugby à 7 (lahy sy vavy)

Rugby à XV (lahy sy vavy)

17-Tae-kwon-do (lahy sy vavy)

18-Tir à l’arc (lahy sy vavy)

19-Tenisy (lahy sy vavy)

20-Tenisy ambony latabatra (lahy sy vavy)

21-Voile (lahy)

22-Volley-ball (lahy sy vavy)

Beach Volley (lahy sy vavy)

23-Surf (lahy sy vavy)

 

Partager sur: