Lomano-“Suisse 2022”: faha-40 i Nomena

Notanterahina tany Sion, nanomboka ny 18 novambra teo hatramin’ny omaly alahady 20 novambra, ny fiadiana ny tompondaka an’i Suisse, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Mpilomano malagasy iray, i Nomena Jauslin ny nandray anjara nandritra izany, izay fandraisana anjara voalohany ho azy ity fifaninanana ity. Teo amin’ny 50 m Dos sy 50 m PAP no nifaninanany, ny zoma 18 novambra sy omaly 20 novambra. 456 ny mpilomano nifaninana avy amin’ny klioba 55, ka Anisan’ny nampiseho ny fahaizany i Nomena. Raha ny vokatra azony, laharana faha-40 amin’ny mpilomano 60 i Nomena, two amin’ny 50 m Dos, fe-potoana 31″95 ny nahavitany izany. Faha-54 amin’ny mpilomano 77 kosa izy teo amin’ny fifaninanana 50 m PAP. 30″64 ny fe-potoana nahavitany izany raha toa ka 30″74 ny minima.

Tsiahivina, mpilalao ao amin’ny Tanà Swimmers CN i Nomena, izay vao 16 taona monja. Tsy vao izao izy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena fa efa maromaro ihany no natrehiny toy ny “Fish Challenge 2022” tany Nauchatel, ny 5 sy 6 novambra lasa teo. Nahazo “nouveau record” izy tamin’izany ka vitany tao anatin’ny fe-potoana 28″40 ny 50 m NL, raha toa 28″46 no nahavitan’i Tojohanitra izany, ny taona 2006.

 

Mi. Raz

Partager sur: