264 ny olona marary mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga misy fahasarotana, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 872 ny fitiliana natao ny 12 ka hatramin’ny 18 novambra ka195 ny tranga vaovao voamarina. 22 tamin’ireo olona nifampikasoka mivantana tamin’ny marary. Sivy ny faritra ahitana ny tranga, ho an’ny herinandro farany, teto Analamanga hatrany ny maro an’isa misy 157, manaraka azy ny any Anosy 12, any Atsinanana sy Vakinankaratra samy manana tranga valo. Efatra ny tranga tany Menabe ary telo tao Diana. Nahatiliana tranga iray avy tany Androy sy Sava. Niakatra ny isan’ny tranga vaovao sy ny faritra nahatiliana ny tsimokaretina, tao anatin’ny herinandro. Nanomboka ny volana marsa taona 2020 ka hatramin’ny 18 novambra lasa teo, 67 057 ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Tsy mbola miverina ny fanajana ny fepetra sakana na any anaty taxi-be na anatin’ny efitra mihidy fa manana safidy ny tsirairay hampiasa arovava sy orona.
Manahy ny andiany fahavalo…
Any Frantsa, nanahy ny hisian’ny andiany fahavalo ny mponina tany an-toerana, efa nidina ny tahan’ny fifindran’ny tsimokaretina sy ny ireo niditra eny amin’ny hopitaly, araka ny vaovao navoakan’ny tomponandraikitry ny fahasalamana frantsay. Voalaza indray anefa fa nitombo ny tranga vaovao ary ireo tanora ny betsaka tratrany tao anatin’ny herinandro farany. Manentana ny vahoaka hanao vaksiny fiarovana sy hanaja ny fepetra sakana ny fanjakana frantsay.