Maintirano: zaza varira 5 taona lasan’ny dahalo

Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Amboanara avaratra, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano. Zazalahikely varira vao efa-taona monja no lasan’ny dahalo roa lahy, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina tao an-toerana. Tamin’io fotoana io, niditra an-keriny tao amin’io renim-pianakaviana mananontena io ireo olon-dratsy ka nitaky vola taminy. Tsy nanana afa-tsy 50.000Ar anefa izy ka nomeny an’ireo jiolahy ny 30.000Ar tamin’ireo kely nananany. Vita izay, nitsoaka ireo malaso. Minitra vitsy taorian’io, tsikaritr’ilay renim-pianakaviana fa tsy tao an-tranony intsony ilay zanany. Teo izy vao nampandre ny zandary. Raikitra ny hazalambo. Hatreto, lehilahy iray ahina ho nanao ity zava-doza ity no voasambotry ny zandary. “Mbola manohy ny fikarohana izahay izao. Efa manao “bouclage” eny amin’ny kizo rehetra ny zandary rehetra”, hoy ny fanazavana voaray. Olana mety hipetraka, hoy ny zandary ny faritr’i Melaky midadasika. Mety harian’ireo dahalo ilay zaza ka ho very noho izy mbola kely loatra. Tsy ipetra-potsiny manoloana ity zava-misy ity ny zandarimaria. Nambarany fa tranga vao voalohany ao an-toerana ity halatra zaza varira ity.

Henintsoa H.

Partager sur: