Natao ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindratombo ny kongresim-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, Analamanga. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fanamafisana ny nanapahana ny tadim-poitra niarahana amin’izao fitondrana izao.
Hentitra ny fanamasisan’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. ” Tsy manana eritreritra ny hiara-kiasa sy hanohana ny fitondrana misy ankehitriny intsony izahay matoa niala tao anatin’ny governemanta”, hoy izy. Nohitrikitrihin’ny MMM koa fa betsaka ireo lesoka amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nitondra sosokevitra koa izy ireo, ahafahana mikarakara fifidianana maoderina sy mifanaraka amin’ny toetr’andro. Tafiditra amin’ny hanamafisana orina ny demokrasia izany. Anisan’ireo hevitra naroson’ny MMM amin’ny Ceni ny fampiasana ny lisi-pifidianana ahitana ny sarin’ny mpifidy tsirairay. “Ho mora fantatra sy tsirihin’ny mpiara-monina fa tena izy tokoa io amin’ny anarana sy ny sary io. Manamora ny fanaovana izany ny teknolojia… Mifankahalala rahateo ny mpiray fokontany“, hoy ihany izy. Nanteriny fa tanjona ny fifidianana eken’ny rehetra.
Efa niatrika fifidianana hatramin’izay
Noporofoin’ny solontenan’ny mpikambana avy amin’ny distrika miisa 13 sy ireo kaominina eto anivon’ny faritra Analamanga fa antoko velona sy miaina ny MMM ary vonona hatrany handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy, tahaka ny efa nataony hatramin’izay. Eo koa ny fanoloran-kevitra ho fampandrosoana ny firenena, iaraha-manana.
Tsiahivina fa nohavaozina tamin’izany ny biraom-paritry ny antoko ho an’Analamanga.
Hamarana ny kongresim-paritra ho an’ny antoko ny any Ihorombe. Hirosoana avy eo ny kongresy nasionaly hanapahana ny hevitry ny MMM manoloana ny fiainam-pirenena.
Synèse R.