Mpandraharaha voatafika: norobain’ny valo lahy ny vola 6 tapitrisa

Valo lahy nirongo fitaovam-piadiana, voaroba ny vola mitetina enina tapitrisa ariary tao amin’ny tranona mpandraharaha iray anatin’ny tanànan’i  Tsaramandroso, kaominina Ambalajia, distrikan’i Maevatanana, afakomaly alina. Nanapoaka basy, tsy nisy sahy nivoaka ireo manodidina ny toerana nanaovan’ireto dahalo ireto fanafihana. Niditra an-keriny tao amina mpandraharaha iray anefa izy ireo. Nitaky vola, saika tsy hamoaka izany ilay raim-pianakaviana ka noratrain’ireo olon-dratsy.  Navoaka, araka izany, ny vola mitetina enina tapitrisa. Poa toy izay, noratrain’ireo dahalo tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy koa ny ramatoa vadin’ilay mpandraharaha. Nirifatra nitsoaka ny dahalo. Naharay fitarainana ny ben’ny Tanàna ao an-toerana taorian’io. Niroso tamin’ny fidinana ifotony ny zandary. Nentina notsaboina eny anivon’ny CSBII ireo mpivady niara-naratra. Mitohy ny fikarohana ireo nahavanon-doza.

Tsiferana Randriatiana

 

Partager sur: