Nifanaraka ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, amin’ny alalan’ny Instat, ary ny « Observatoire démographique et statistique dans l’espace francophone » (ODSEF), misahana ny antontanisa anatin’ny Vondrona mampiasa sy miteny frantsay any amin’ny Oniversite Laval, Québec Kanada, ny 18 novambra, fa hiara-kiasa. Fiaraha-miasa amin’ny sampana iray manana traikefa lehibe hatramin’ny taona 1861 momba ny fanisam-bahoaka, izay maro ny azony hanampiana eto Madagasikara, toy ny fanadihadiana hahafahana mandalina ireo antontanisa bebe kokoa, mamokatra fikarohana, vakoka handraisana fanapahan-kevitra hoentina hampandrosoana ny firenena.
Ohatra hoentina eto, toy ny efa hiasana any Côte d’Ivoire, Mali, sns anatin’ny tany mampiasa ny teny frantsay dia hotahirizina anatin’ny ordinatera ( scané) daholo ny valim-panontaniana mba tsy anaty taratasy fotsiny hisorohana izay mety fahasimbana aty aoriana. Afaka 50 na 100 taona tokony ho hita ny fanisam-bahoaka tamin’ny 2018.
Fikarohana azo atao koa ny fomba fitenenana iray, tsy ny teny frantsay ihany fa ny teny rehetra fampiasa eto Madagasikara, satria ny antontanisa mahakasika ny teny io, mety hahafantarana ny sakana amin’ny fampandrosoana.
Hatramin’ny 1861
Ohatra iray hafa, manana ny fomba fitahirizana ireny antontanisa ireny ny ODSEF. Manana traikefa amin’izay io oniversite io, satria hatramin’ny 1861 ry zareo efa nanao io asa io, ary mbola voatahiry ny rehetra. Ny antsika na tamin’ny 1975 aza tsy voatahiry ny antontanisa. Hisy koa fanofanana homena ireo teknisianina malagasy. « Ny antony tsy nampisy tany aloha (2018 ny farany), mety tsy fananana fitaovana, tsy fahampian’ny teknisianina, sns. Manomboka izao, ezahina ny hitahiry ireny antontanisa ireny ho fananam-pirenena, handraisana fanapahan-kevitra », hoy ny tale jeneralin’ny Instat, i Romalahy Zefania.
Ndrina