« Opération smile tour »: handalo amin’ny distrika efatra

Manakaiky hatrany ny olona sima sy ny vaky lanilany ny  ONG Opération smile. Handeha hitety distrika amin’ny lalam-pirenen fahafito izy ireo.  

Nanainga ny faran’ny herinandro teo ny fiarabe ahitana ireo mpitsabo sy tomponandraikitra hitety ny distrika amin’ny lalam-pirenena fahafito hanome tolotra fitsaboana ho an’ny olona sima molotra na vaky lanilany 160. Manomboka eo Antsirabe, mandalo ao Faratsiho sy Fianarantsoa ary hifarana any Toliara, ny 29 novambra ho avy izao ny dia. Tsy fandidiana no hatao fa fanomezana tolotra fitsaboana toy ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava, fizarana torohevitra sy tohana ara-tsakafo ary tantsoroka ara-tsaina ho an’ireo olona manana ity fahasembanana ara-batana ity, hoy ny mpandrindra ny ONG opération Smile, Rakotomalala Mirana, ny faran’ny herinandro teny amin’ny HJRA, toerana niaingan’ny Opération smile tour.

Ankoatra izay, mbola nisy olona 31 hafa avy eto amin’ny faritra Analamanga sy Itasy noraisina an-tanana maimaim-poana tao anatin’ny tranoheva efatra miaraka amin’ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny ONG. Mialoha ny niaingan’ny fiarabe, mbola nanome ra ho an’ny foibe famindrana ra ao amin’ny HJRA ny tomponandraikitry ny ONG sy ny mpitandro filaminana sy ireo mpiray ombon’antoka. Kitapon-dra 40 ny natolotra ho fanamarihana ny faha 40 taonan’ny ONG tamin’ny asa fikarakarana ny sima maneran-tany.

Vonjy A.

Partager sur: