Tontosa ny asabotsy sy omaly alahady ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League 2023”. Sahirana ireo ekipa heverina ho vaventy vao nivoaka ho mpandresy. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara farany. Tamin’ny isa tery 2 no ho 1 ny nandresen’izy ireo ny Mama FC, tetsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Nanokatra ny isa i Koloina, teo amin’ny minitra faha-70 ary mbola nampian’i Bertho indray teo amin’ny minitra faha-76 ho an’ny CFFA. Efa tany amin’ny 3 mn tsy hiravana kosa vao nahatafiditra ny baolina tokana ho azy i Jean Luc, ho an’ny Mama FC.
Tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 kosa no nivoahan’ny Jet Kintana ho mpandresy nanoloana ny Dato FC. Fihaonana natao tany amin’ny kianja Mahitsy, ny asabotsy lasa teo. Baolina tafiditr’i Prosper, tany amin’ny minitra faha-87. Tamin’io isa tokana io ihany koa no nandresen’ny Fosa Jr, nanoloana ny AS Fanalamanga, teny Vontovorona, omaly alahady. Baolina matin’i Fely, teo amin’ny minitra faha-38. Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny Cosfa sy ny Ajesaia. Lavon’ny Zanakala FC, tamin’ny isa 2 no ho 1 kosa ny 3FB Toliara ary lavon’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC.
Tompondaka