Ahafahana miroso amin’ny taom-pianarana 2022-2023, mangataka amin’ny fanjakana ny fandovana ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka antselika sy ny ora fanampiny ho an’ny enim-bolana mbola trosa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, taorian’ny fivoriana ny zoma lasa teo. Tokony hefain’ny mpitondra koa ny tambin-karama momba ny fikarohana ho an’ireo mpikaroka misotro ronono, nanomboka ny taona 2018-2021. Efa voarotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny oniversiten’Antananarivo fa tsy mety aloan’ny agance comptable, hoy ny tatitra nataon’ny Seces ihany. Nohamafisiny fa mila mahazo toky ny mpampianatra mpikaroka fa handoa tsikelikely ny trosa amin’ny fampiharana ny décrets telo ny fanjakana. Eo koa ny fisitrahana ny maintien en activité sy ny reclassement…Mila jerena manokana ny fanomezana poste budgétaire ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony hifanaraka amin’ny filan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana.
Vonjy A.