Soratononina 2022: mpifaninana 6 tsy nahitana diso

Nozaraina tamin’ny zoma 18 novambra 2022 teo, teny amin’ny lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny vokatry ny fifaninanana Soratononina 2022, fifaninanana nokarakarain’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy. Boky maro sy lelavola no loka nomena ireo mpifaninana mendrika ireo mba hahafahany manohy ny fikarohany sy fitrandrahany ny teny malagasy.

Nisy andiany roa ny fifaninanana tamin’ity taona ity ka ny 9 Jona no nanatanterahana ny andiany voalohany ary ny 6 jolay kosa ny andiany faharoa. Notononina mivantana tao amin’ny TVM sy RNM tamin’ny 8 ora sy 10 minitra alina. Nahatratra 6 ny isan’ireo nahazo voalohany tamin’ny andiany faharoa, izay samy tsy nahitana diso fanoratra mihitsy ka anisan’izany Rahezarisoa Sannie sy Ratsimbazafy Heriarilala Andriamamonjy izay vao avy nanao velakevitra momba ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy sy ny tononkalo tetsy amin’ny IKM Antsahavola ny 9 novambra lasa teo.

Narilala

Partager sur: