Notontosaina ny asabotsy 19 novambra teo ny dingan’ny manasa-dalana eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena Star Academy. Tafakatra eo amin’ny dingan’ny famaranana i Anisha na ilay teratany malagasy mandray anjara amin’ity fifaninanana karakarain’ny Televiziona TF1 ao Frantsa ity. Fantatra fa ho mafimafy ny miandry azy amin’io 26 novambra io satria sangany amin’ny fananana feo tsara i Enola, i Léa ary i Louis hifaninana aminy. Nihintsana kosa i Chris sy i Tiana.
Raha tsiahivina ny fizotry ny fifaninanana talohan’iny dingan’ny manasa-dalana iny, somary saro-toerana ihany i Anisha raha tsy teo ny safidin’ny mpijery. Ny omaly kosa no nametraka azy amin’ny toerana tsara noho ny fanomezana tsy nampoizina nataon’i Claudio Capéo ho azy. « Nirotsaka ny ranomason’i Anisha raha namihina an’i Claudio Capéo. Nirotsaka tahaka izany ihany koa ny an’ity farany. Tao anatin’ny ranomasom-pifaliana no nanasan’i Claudio Capéo an’i Anisha hihira ao anatin’ny rakikira vaovao vao havoakany », hoy ny fampahalalam-baovao maro any ivelany.
HaRy Razafindrakoto