Tadio mahery vaika: olona 35 tsy manan-kialofana

Ravaravan’ny tadio ny tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Soanakambana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nandritra ny minitra vitsy, tapitra niendaka ny tafontranon’ireo mponina tao amin’ity fokontany ity.  Tsy vitan’io, nisy hatramin’ireo fianakaviana sasan-tsasany rava trano. Vokany, olona 35 tra-boina. Tsy manan-kialofana ireto fianakaviana ireto ka noraisan’ny fokontany ao an-toerana an-tanana ny famonjena azy. Na izany aza, mila fanampiana amin’ireo tsara sitrapo izy ireo entiny hanarenana izao fahavoazana taorian’ny voina izao.

Tsiferana R.

Partager sur: