Taksiborosy tra-doza: lehiben’ny fokontany sy zazamena vava maty

Fiara mpitatitra olona iray no nitsoraka tany ambany tetezana, afakomaly tamin’ny lalam-pirenena voalohany. Lehilahy sy zazamena no namoy ny ainy. Nieren-doza ny mpandeha 21 hafa.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Tra-doza tamin’izany ny fiara mpitatitra mampitohy an’i Kiraomena sy Tsiroanomandidy. Tapaka hisatra tampoka ilay “mazda” ka nitsontsorika sy namantana tany ambany tetezana sahabo ho enina metatra teo Keliandrandraina. “Vokany, mpivady lehiben’ny fokontany ao amin’ny kaominina Mahajeby no maty tsy tra-drano. Olona sivy hafa naratra mafy. Isan’ireo voa mafy tamin’izany ny mpamilin’ny fiara”, hoy ny zandary ao an-toerana. Taorian’ny loza, tonga vonjimaika namonjy ireo niharam-boina ny zandary, avy eo Kiraomena namoaka ireo mpandeha 21 isa. Nalefa teny amin’ny CSB II Kiraomena avokoa ireo niharam-boina mba mba hahazo fitsaboana vonjimaika. Indrisy anefa fa tsy tana ny ain’ny lehilahy iray isan’ireo naratra. ” Nisy ankizy miisa efatra tamin’ireo mpandeha, ary zazamena herintaona ny iray, saingy tsy misy atahorana ny ain’izy rehetra”, hoy hatrany ny mpitandro filaminana. Ankehitriny, nafindra sy manohy ny fitsaboany ao Tsiroanomandidy ireo naratra rehetra. Anio kosa no hampakarina an-tanety ilay fiara mpitatitra namoa-doza.

Henintsoa Hani

Partager sur: