Tambajotra RIA Jirama: nipoahan’ny varatra ny toby Anosizato

Nilatsahan’ny varatra ny toby « sous-station » Tana Sud Anosizato, ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), ny alakamisy 17 novambra teo. Efa vita ny 90%-n’ny fameranana ny jiro, hatramin’ny omaly.

Tapaka nanomboka ny alakamisy hatramin’ny omaly alahady tamin’ny 6 ora sy sasany ny jiro, teny Ambatomirahavavy hatrany Soavinandriana Itasy, vokatry ny fahasimban’ny fitaovana teny amin’ny toby Anosizato izay nipoahan’ny varatra. May ny fitaovana « bobine » tao amin’ny vata mpanova herinaratra lehibe.

Nitondra fanazavana, ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) Jirama, Andriamanampisoa Solo, omaly, teny amin’ny foibe Ambohimanambola. “Nanarina ny simba ny teknisianin’ny Jirama, navadika ho 35 Kv triphasé ny herinaratra rehetra miainga eo Anosizato hatrany Soavinandriana. Nanomboka ny asabotsy 19 novambra ary tonga tany Soavinandriana ny herinjiro, omaly 20 novambra tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Mbola misy ny 10%-‘ny mpanjifa tsy misitraka izany amin’iny faritra andrefana iny. Eo am-panamboarana ilay “transformateur” lehibe simba”.

16 ny varatra nilatsaka

Notsipihin’ny PCA koa fa nandatsaka orana tsy voajanahary ny Jirama, tamin’iny herinandro lasa iny. Antony, tsy ampy ny haavon’ny rano, vokatry ny hain-tany, ka nampihena ny vokatra herinaratra avy amin’ny rian-drano any Andekaleka, Mandraka, Sahanivotry, Antelomita, Tsiazompaniry ary Farahantsana. Tsikaritra, nasiaka ny kotroka sy varatra, ka nahazo ny tariby mitondra herinaratra. Ho an’ny asabotsy 19 novambra, niisa 16 ny varatra nilatsaka nahakasika tambajotra mitondra herinaratry ny Jirama.

Manoloana ireo, tsy maintsy nohamafisina ny fiarovana ny tambajotra hifehezana ny fahatapahan-jiro. Napetraka ny fitaovana manokana eny amin’ny foibe Ambohimanambola, fampifandraisana sy mandrindra ny tambajotra (poste d’interconnexion), hanafaingana ny fiarovana azy, raha sendra misy ny fipoahan’ny varatra, hifehezana ny fahatapahan-jiro.

Noraisina koa ny fepetra manokana, mandritra izao lalao Mondial 2022 izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: