Vokatry ny orana: roa lahy mpamaky vato maty tototry ny tany

Nampihoron-koditra! Roa lahy mpamaky vato no indray namoy ny ainy nihotsahan’ny tany rehefa namaky vato toy ny fanaon’izy ireo tao Dar-Es-Salam akaiky ny Jirama ao Diego hely, ny zoma lasa teo. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny mpitandro filaminana nanao ny asa famonjena, saingy efa tsy avotra intsony ny ain’izy ireo. Naharitra adiny iray ny fikarohana ny fatin’izy roa lahy tao anaty ranon-tany teo amin’ity toerana famakiana vato ity. Raha ny tatitra voaray avy any an-toerana, efa nisy fidinana ifotony nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina notarihin’ny ben’ny Tanàna, i Vita Gilbert fa tokony tsy hiasana intsony io faritra io fa efa malemy. Vato no alaina ao ka rariny raha mihotsaka ny tany. Marihina fa efa nisy koa ny taratasy mandrara ireo olona mihady vato ao fa ny mivarotra sy mamaky ihany no azo atao. Manodidina ny 80 mahery ireo olona mivelona amin’ity asa famakiana vato ao Dar-Es-Salam ity ka efa nafindra tamina toeran-kafa izy ireo, saingy nidiran’ny resaka politika ity raharaha ity ka niafara tamina fihantsiana sy fankahalana. Fantatra fa efa nisy olona iray hafa koa maty nihotsahan’ny tany teo am-pamakiana vato, ny alarobia teo koa.

 J.C

Partager sur: