Akon’ny Mondial 2022

Maratra i Enner Valencia

Taorian’ny lalao tamin’ny alahady,  nihaonan’i Ekoatera sy Qatar, fantatra fa naratra sahady i Enner  Valencia, lohalaharana ekoatorianina. Io ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny ekipa. Ny ratra teo anivon’ny feny sy ny tongony nahazo azy. Nanome toky i Gustavo Alfaro, mpanazatra fa tsy maintsy hijoro izy, amin’ny fihaonana amin’i Pays-bas, amin’ny zoma 25 novambra, ho avy izao.

 

Baolina maty haingana indrindra

Ny baolina tafiditr’i Valencia ihany koa aloha hatramin’ny lalao vita omaly talata no baolina maty haingana indrindra. Teo amin’ny minitra faha-16 nampidirany izany, tamin’ny alalan’ny «pénalty», nandritra ny fihaonan’i Ekoatera sy i Qatar. Izy ihany koa ny mpilalao nisantatra ny famonoam-baolina tamin’ity «Mondial 2022», ity.

 

Lalao nisy baolina maty betsaka

Ny fihaonan’ny The Three Lions-n’i Angletera sy i Iran no nahitana baolina maty betsaka indrindra. Fihaonana ho an’ny sokajy “B”. Nahatratra 8 ny isan’ny baolina tafiditra nandritra io lalao io. Raha tsiahivina, nandresy tamin’ny isa 6 no ho 2 ny Anglisy nandritra io fihaonana io, omaly. Lalao natao tao amin’ny kianja Khalifa Stadium. Mitarika aloha izany ny Anglisy, ao anatin’ity vondrona ity.

 

Karatra mavo be indrindra

Ny fihaonana teo amin’i Qatar sy i Ekoatera no nahitana karatra mavo be indrindra nivoaka, raha ho an’ny andro roa voalohany amin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra ity. Nahatratra 6 izany ka 4 azon’ireo mpilalaon’ny Qatari ary 2 kosa ny an’i Ekoatera. Ilay mpiandry tsatobin’i Qatar, i Saad Al Sheeb, no nisantatra ny fahazoana izany karatra mavo izany, azony teo amin’ny minitra faha-15, tamin’ity “Mondial” ity.

Partager sur: