Tanàna tsy nandehanan’ny fiarakodia hatramin’izay ny eo amin’ny kaominina Ampasimbe Onibe any Toamasina II mankany amin’ireo fokontany marobe. Vaky ny lalana, afaka mivoaka ny vokatra ary tonga any ifotony koa ny mpanangom-bokatra, indrindra amin’izao fisokafan’ny fiotazana letisia izao.
Sambany ! Vita ny lalana mirefy 20 km, mampitohy ny kaominina Ampasimbe Onibe sy ny fokontany Mahatsara II ary ny fokontany Vohibato, samy ao anatin’ny distrika Toamasina II. Nataon’ny fokonolona tamin’ny alalan’ny asa tanamaro, nampiasany angady sy antsibe, ity lalana vaovao ity, nanomboka ny 27 mey 2021. Nanolotra ny milina vaventy kosa ny faritra Atsinanana, ny 17 oktobra 2022 teo, namita ny asa goavana tsy vitan’ny asa tanamaro, noho ny fisian’ny tendrombohitra tsy maintsy novakiana. Nanome voamaina sy omby koa ny faritra Atsinanana, natao sakafo nandritra io fotoana io. Nanamafy ny sefo fokontany Mahatsara II, Bety Arson, fa tena nazoto tokoa ny fokonolona, satria manodidina ny 1.000 isan’andro ireo tonga niasa, indrindra isaky ny talata, ny alakamisy ary ny alahady, fa latsak’izany amin’ny andro hafa.
Samy manana ny filazany, …
Miisa 11 ny fokontany ao anatin’Ampasimbe Onibe, ahitana mponina 23.607. Mamokatra ny mponina any an-toerana, indrindra ny voly fanondrana, ary isan’izany ny letisia sy ny jirofo, izay ao anatin’ny fotoam-pahavokarany amin’izao taona madiva hifarana izao, raha efa tapitra kosa ny lavanila.
Mandritra izany, sadaikatra ny ben’ny Tanàna Fety Georges mikasika ny tamberim-bidin’ireny voly fanondrana ireny. Nambarany fa 20 taonina ny vokatra jirofo tamin’ny taona 2021 raha ny antontanisa ao amin’ny kaominina. Etsy ankilany anefa, niray feo ny sefo fokontany Mahatsara II, Laiafy Emilien, sy Vohibato, Bety Arson, fa farafahakeliny, samy namoaka 15 taonina avy ireo fokontany roa ireo. Nilaza koa ny ben’ny Tanàna, Fety Georges, fa 6.000.000 Ar ny tamberim-bidy avy amin’ny letisia, ny taona 2021, azon’ny kaominina. Nahatratra 40 taonina kosa ny vokatra lavanila nandalo teo amin-dry zareo tamin’ity taona 2022 ity.
Nambaran’ny governora Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa ho tsara ny vidim-bokatra satria vita ny lalana. Hatreto, 25.000 Ar ny kilaon’ny jirofo any an-toerana, fa tsy mbola voafaritra kosa ny an’ny letisia.
Sajo sy Njaka A.